Apokalypsin'i Jaona 21:12
ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’ ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ isiraely;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 21
Cross References
Numbers 2:2Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
Ezra 9:9Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
Psalms 51:18Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
Isaiah 54:12Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
Ezekiel 48:31Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.
Luke 15:10Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka.