Apokalypsin'i Jaona 21:2
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masìna, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 21
Cross References
Psalms 45:9Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Psalms 87:3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
Isaiah 52:1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Jeremiah 31:23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ao amin’ ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
2 Corinthians 11:2Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.