Apokalypsin'i Jaona 21:23
Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak’ ondry no fanazavana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 21
Cross References
Isaiah 2:19Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Isaiah 24:23Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.
Habakkuk 3:3Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
Mark 8:38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
John 1:4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.