Apokalypsin'i Jaona 21:24
Ary ny firenena maro no handeha amin’ ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
Read all of Apokalypsin'i Jaona 21
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 52:15Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Isaiah 55:10Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
Isaiah 60:13Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
Isaiah 66:11Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny voninahiny.