Apokalypsin'i Jaona 22:18
Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 22
Cross References
Leviticus 26:18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
Leviticus 26:28dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Deuteronomy 4:2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
Proverbs 30:6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
Matthew 15:13Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
1 Thessalonians 4:6mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.