Apokalypsin'i Jaona 22:2
teo afovoan’ ny lalambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 22
Cross References
Genesis 2:9Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Psalms 147:3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
Jeremiah 17:14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
Ezekiel 47:8Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin’ ny tany atsinanana, dia midìna any amin’ ny tani-hay ka miditra eo amin’ ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.