Apokalypsin'i Jaona 3:5
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 3
Cross References
Exodus 32:32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
1 Samuel 17:25Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
Psalms 109:13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
Matthew 10:32Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Philippians 4:3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.
Revelation 2:7Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra.