Apokalypsin'i Jaona 7:4
Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 7
Cross References
Ezekiel 47:13Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo; anjaran-droa no ho an’ i Josefa.
Ezekiel 48:31Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Luke 22:30mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo,
Romans 9:27Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
James 1:1Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.