Apokalypsin'i Jaona 8:13
Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ ny lanitra aho, izay nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’ izay monina eny ambonin’ ny tany noho ny feo sisa an’ ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 8
Cross References
Ezekiel 2:10Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
Revelation 9:1Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa.
Revelation 11:14Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
Revelation 14:6Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,