Epistily ho an'ny Romana 1:13
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ ny jentilisa sasany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
14Ananan’ ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
Read all of Epistily ho an'ny Romana 1
Cross References
Isaiah 27:6Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
John 12:24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
Acts 14:27Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.
Acts 16:6Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
Acts 21:19Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa izy.
Romans 15:18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’ i Kristy ahy, na tamin’ ny teny, na tamin’ ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,