Epistily ho an'ny Romana 1:20
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 1
Cross References
Genesis 21:33Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
Deuteronomy 33:27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
Psalms 8:3Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Psalms 33:6Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
Psalms 104:5Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
Psalms 119:90Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.