Epistily ho an'ny Romana 1:7
ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
Read all of Epistily ho an'ny Romana 1
Cross References
Deuteronomy 33:12Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
Song of Solomon 5:1Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
Matthew 6:8Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
Acts 7:59Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
Romans 1:6ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
Romans 8:39na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.