Epistily ho an'ny Romana 10:15
Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 10
Cross References
Isaiah 52:7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Matthew 28:18Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Luke 2:14Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.
Luke 10:1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.