Epistily ho an'ny Romana 10:20
Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 10
Cross References
Proverbs 28:1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Isaiah 52:15Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Isaiah 58:1Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
Matthew 20:16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
Luke 14:23Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
Ephesians 6:19ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara