Epistily ho an'ny Romana 11:1
Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 11
Cross References
1 Samuel 12:22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
Psalms 77:7Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
Psalms 94:14Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
Jeremiah 33:24Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
Amos 9:8Indro, ny mason’ i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin’ ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’ i Jakoba, hoy Jehovah.
Acts 26:4Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ ny fireneko tany Jerosalema hatramin’ ny voalohany;