Epistily ho an'ny Romana 11:12
Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 11
Cross References
Isaiah 11:11Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Isaiah 66:8Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
Micah 5:7Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
Zechariah 8:20Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy;
Romans 11:15Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?
Romans 11:33Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!