Epistily ho an'ny Romana 11:22
Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 11
Cross References
Deuteronomy 32:39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.
Psalms 58:10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Psalms 136:15Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Ezekiel 3:20Ary koa, raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Ezekiel 33:17Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
Luke 8:15Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana.