Epistily ho an'ny Romana 11:33
Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra.
34Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?
Read all of Epistily ho an'ny Romana 11
Cross References
Esther 2:22Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
Job 9:10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
Job 11:7Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
Job 26:14Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Job 37:19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
Psalms 36:6Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.