Epistily ho an'ny Romana 11:6
Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 11
Cross References
Deuteronomy 9:4Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
Romans 4:4Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
1 Corinthians 15:10Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
Galatians 5:4Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.
2 Timothy 1:9Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;