Epistily ho an'ny Romana 12:16
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 12
Cross References
Job 31:13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
Psalms 131:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.
Proverbs 17:5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
Proverbs 19:17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Proverbs 26:12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;