Epistily ho an'ny Romana 12:3
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 12
Cross References
Proverbs 16:18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
Proverbs 26:12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
Micah 6:8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
Luke 18:11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Romans 1:5Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;
Romans 11:25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;