Epistily ho an'ny Romana 14:2
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For one believeth that he may eat all things: another, who is weak, eateth herbs.
In Context
1Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 14
Cross References
Genesis 1:29Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
Proverbs 15:17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Daniel 1:16Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
Romans 14:22Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
Galatians 2:12Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin’ i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
Titus 1:15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.