Epistily ho an'ny Romana 14:22
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 14
Cross References
Romans 7:15Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
Romans 14:2Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
Romans 14:14Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
2 Corinthians 1:12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
James 3:13Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.