Epistily ho an'ny Romana 14:9
Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 14
Cross References
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Luke 24:26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
John 5:27ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona.
Acts 10:42Ary Izy nandidy anay hitory amin’ ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
Ephesians 1:20izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,
2 Timothy 4:1Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: