Epistily ho an'ny Romana 15:26
Fa efa sitrapon’ Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ ny olona masìna any Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masìna.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 15
Cross References
Proverbs 14:31Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
Zechariah 11:7Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
Luke 6:20Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Acts 11:27Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
Acts 18:12Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’ i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin’ ny fitsarana,