Epistily ho an'ny Romana 15:3
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’ izay hahasoa sy hampandroso azy.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 15
Cross References
Psalms 40:6Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
Psalms 69:20Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
Matthew 10:25Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
Matthew 26:42Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
John 5:30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
John 8:29Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.