Epistily ho an'ny Romana 15:6
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That ye may with one mind and one mouth glorify God, even the Father of our Lord Jesus Christ.
In Context
7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’ i Kristy anareo koa ho voninahitr’ Andriamanitra.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 15
Cross References
Zechariah 13:9Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
John 20:17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
Acts 4:32Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
2 Corinthians 1:3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
Ephesians 1:3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Revelation 1:6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray,― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.