Epistily ho an'ny Romana 16:18
Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 16
Cross References
1 Samuel 2:29Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin’ ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanatitra rehetra aterin’ ny Isiraely oloko?
2 Chronicles 18:12Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an’ ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
Psalms 119:130Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
Proverbs 14:15Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
Isaiah 30:10Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
Jeremiah 8:10Ary noho izany dia homeko ho an’ ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an’ izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.