Epistily ho an'ny Romana 2:1
Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
2 Samuel 12:5Dia nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Davida tamin’ izany olona izany, ka hoy izy tamin’ i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
Matthew 7:1Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.
Luke 6:37Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
John 8:7Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
Romans 2:3Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?
Romans 2:26Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?