Epistily ho an'ny Romana 2:11
Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For there is no respect of persons with God.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
Deuteronomy 10:17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
2 Chronicles 19:7Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’ i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’ i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’ olona, na fandraisana kolikoly.
Proverbs 24:23Izao koa no tenin’ ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana.
Luke 20:21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
Galatians 2:6Fa ny amin’ ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan’ olona), izaho tsy nomen’ ireo manan-daza ireo saina na tamin’ inona na tamin’ inona.
Ephesians 6:9Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’ olona aminy.