Epistily ho an'ny Romana 2:16
amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In the day when God shall judge the secrets of men by Jesus Christ according to my gospel.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
Psalms 9:7Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Psalms 96:13Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
Ecclesiastes 3:17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
Ecclesiastes 12:14Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
John 5:22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,