Epistily ho an'ny Romana 2:25
Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
Jeremiah 9:25Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Romans 2:23Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’ Andriamanitra ihany va ianao amin’ ny andikanao ny lalàna?
Romans 4:11Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,
Galatians 6:15Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.