Epistily ho an'ny Romana 2:27
Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
Matthew 3:15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Matthew 12:41Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
Romans 2:20mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
Romans 7:6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.
Romans 13:10Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Galatians 5:14Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.