Epistily ho an'ny Romana 3:19
Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 3
Cross References
1 Samuel 2:9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Job 9:2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
Ezekiel 16:63mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
John 8:9Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin’ ny zokinjokiny ka hatramin’ ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.
John 15:25fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ ny lalàny hoe: Halany foana Aho.
Romans 2:1Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.