Epistily ho an'ny Romana 3:20
satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 3
Cross References
Job 25:4Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
Psalms 143:2Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
Romans 2:13Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’ Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
Romans 4:13Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana, no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
Romans 5:13fa hatrany alohan’ ny lalàna aza dia nisy ota tamin’ izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
Romans 7:7Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.