Epistily ho an'ny Romana 3:26
mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 3
Cross References
Psalms 85:10Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.
Isaiah 45:21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Zephaniah 3:15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
Acts 13:38Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
Romans 4:5Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
Galatians 3:8Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;