Epistily ho an'ny Romana 3:7
Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
Read all of Epistily ho an'ny Romana 3
Cross References
Genesis 37:20Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny.
Genesis 50:18Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Exodus 14:5Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika?
1 Kings 13:17satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao.
2 Kings 8:10Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
Matthew 26:34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.