Epistily ho an'ny Romana 4:10
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 4
Cross References
Genesis 15:16Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Genesis 17:23Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy.
Galatians 5:6Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.