Epistily ho an'ny Romana 4:6
Dia araka izany koa no ilazan’ i Davida fa sambatra ny olona izay isain’ Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ ny asa, hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 4
Cross References
Psalms 1:1Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;
Psalms 146:5Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,
Isaiah 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Jeremiah 33:16Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Matthew 5:3Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Romans 3:20satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.