Epistily ho an'ny Romana 5:11
Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’ Andriamanitra isika amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
Psalms 32:11Mifalia amin’ i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
Psalms 104:34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Luke 1:46Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
John 6:50Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
Romans 3:29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;