Epistily ho an'ny Romana 5:17
Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Matthew 25:34Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Romans 5:12Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Romans 6:23Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
1 Corinthians 4:8Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
1 Corinthians 15:49Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.