Epistily ho an'ny Romana 5:19
Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Romans 5:12Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Romans 5:18Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
Ephesians 1:6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
Revelation 7:9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,