Epistily ho an'ny Romana 5:20
Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
2 Chronicles 33:9Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
Isaiah 1:18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Jeremiah 3:8Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Ezekiel 16:60Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin’ ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
Micah 7:18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
Matthew 20:9Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.