Epistily ho an'ny Romana 6:22
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 6
Cross References
Genesis 50:17ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
Job 1:8Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
Psalms 86:2Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
Psalms 143:12Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
Daniel 3:26Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Matthew 13:40Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.