Epistily ho an'ny Romana 7:11
Fa io didy io dia nentin’ ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For sin, taking occasion by the commandment, deceived me, and by it slew me.
In Context
10Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
12Ka dia masìna tokoa ny lalàna, ary masìna ny didy sady marina no tsara.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 7
Cross References
Isaiah 44:20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Jeremiah 49:16Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin’ ny tampon’ ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin’ ny avo tahaka ny an’ ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Romans 7:8Fa io didy io dia nentin’ ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
Ephesians 4:22mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
James 1:22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.