Epistily ho an'ny Romana 8:16
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The Spirit itself beareth witness with our spirit, that we are the children of God:
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Romans 8:23ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
2 Corinthians 1:12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
2 Corinthians 5:5Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’ izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
Ephesians 4:30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
1 John 4:13Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.