Epistily ho an'ny Romana 8:17
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Matthew 16:24Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Luke 12:32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Luke 24:26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
John 17:24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
Acts 20:32Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina.
Romans 5:9Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ ny ràny isika.