Epistily ho an'ny Romana 8:18
Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Acts 20:24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
Colossians 3:4Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.
2 Thessalonians 2:14sady ho amin’ izany koa no niantsoany anareo tamin’ ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Hebrews 11:35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
1 Peter 1:13Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
1 Peter 5:1Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: