Epistily ho an'ny Romana 8:24
Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Psalms 33:18Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
Psalms 146:5Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,
Jeremiah 17:7Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.
Romans 5:2Tamin’ ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ ny finoana ho amin’ izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra.
Romans 15:4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masìna.
1 Corinthians 13:13Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.