Epistily ho an'ny Romana 8:28
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Exodus 20:6nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Deuteronomy 8:2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Nehemiah 1:5ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Psalms 69:36Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
Jeremiah 51:29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
Mark 12:30koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.